<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L.M. Lindeman</author>
<hymn_number>382</hymn_number>
<title>Ry olo-matory o, mba mifohaza FFPM382</title>
<lyrics>[V1]
 Ry olo-matory ô ! mba
 mifohaza,
 Fa indro Kristy,
 Ilay Fahazavana Izay tena
 malaza,
 Dia tonga atý,
 Ka aza matory,
 Fa mba atolory
 Ny fonao izao
 Mba hanazavany anao.

[V2]
 Atý dia matevina sady mahàna
 Ny zavona be ;
 Ny sento, taraina sy
 fitomaniana
 Dia misy anie,
 Ry olo-mahantra,
 Jereo ny Mpiantra
 Henoinao izao
 Jesosy nanavotra anao !

[V3]
 Atý dia mangentana sady be
 ady,
 Ka maro no voa ;
 Tsy tambo isaina ireo mitady
 Fiadanana am-po
 Dia aza tomany,
 Fa eto ihany
 Ilay nanome
 Ny fahasoavana be !

[V4]
 O, miandrandrà ka jereo ao
 ambony,
 Fa antoandro izao,
 Falia toa zaza, tahafo ny fony,
 Ny Tompo derao,
 Na misy ny onja
 Sy ota mandoza,
 Dia mbola derao
 Jehovah Mpiaro anao !

[V5]
 O, mendrika hankalazaina
 Jehovah
 Izay manome
 Ny lalana sy fahamarinana
 koa
 Sy fiainana be
 Tsilovy, ry Kristy,
 Ny lala-mahitsy
 Izorako izao,
 Tantano re ny zanakao !</lyrics>
</song>